FITALEAVAM-PARITRA VATOVAVY

Fotodrafitrasa : Tsy diso anjara ny Fitaleavam-paritra Vatovavy

Anisan’ireo Fitaleavam-paritra hahazo fotodrafitrasa vaovao ny eto Vatovavy, araka ny fandaharan’asan’ny Minisitera foibe. Rariny sy hitsiny tokoa izany satria vao tsy ela akory no nametrahana ny Fitaleavam-paritra Vatovavy eto anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary Lalàna Sosialy.


Amin’izao fandalovany aty an-toerana izao dia nijery ifotony ny toerana hanorenana ity fotodrafitrasa vaovao ity ny Minisitra Marie Gisèle RANAMPY. Androany 19 Oktobra no notanterahana izany, niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Vatovavy, ny Préfet de Police eto Mananjary, ny Ben’ny Tanàn’i Mananjary ary ny Sekretera Jeneralin’ny Ministera.


Ao amin’ny fokontany Tanambazaha, an-tampon-tanàn’i Mananjary, no hajoro ity fotodrafitrasa vaovao ity. Efa ara-dalàna avokoa ny antotan-taratasy ara-panjakana hanomezana ny toerana ho an’ny Minisiteran’ny Asa. Inoana sy antenaina, araka izany, fa hanomboka atsy ho atsy ny asa fanorenana…