Tolotr’asa iraisam-pirenena
Mpisava làlana, mpanamora ary mpiantoka ny Minisiteran’ny Asa
Mizara ireo tolotra misy sy manome tosika izay mila izany eo amin’ny sehatry ny asa sy ny fampananan’asa. Tsy mikely soroka ny Minisitera mpiahy tarihin-dRamatoa Marie Gisèle RANAMPY, hanatrarana ireo tanjona nafaritana ireo. Azo ambara fa efa tratra izany, na dia amin’ny am-pahany ihany aza amin’izao fotoana izao. Raha afa-tsy ireo famoronan’asa mahomby sady maharitra vitan’ireo tanora sasany avy amin’ny alalan’ny fanohanana mavitrika omen’ny teknisiana na mpampiofona avy amin’ny Minisitera; sy ireo ezaka ataon’ny Minisitera ankehitriny ho fampanarahan-dalàna ireo sehatr’asa madinika azon’ny tanora hafa trandrahina amin’izao vaninandro izao.
Tsy ny eto an-toerana ihany anefa no tsinjovina manokana. Mahatsiaro manana adidy sy andraikitra ny Minisitera amin’ny fiarovana ireo mpiasa Malagasy mila ravin’ahitra any ivelany. Nisy araka izany ny fidinana ifotony tany Jordanie, izay notanterahina tamin’ny voalohan’ity volana ity, hitsirihana ny tena zava-misy any amin’ity firenena ity. Orin’asa any an-toerana mampiasa tanora Malagasy an-jatony no notsidihan’ny tompon’andraikitra eto anivon’ny Minisiteran’ny Asa sy avy ao amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny ary ny avy amin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka; ary anisan’ny nivoitra tamin’izany ny fahamarinan-toeran’ity orin’asa misehatra amin’ny fanjairana ity manoloana indrindra ny fanajana ny zon’ny mpiasa vahiny toa ireo Malagasy any an-toerana.
Nisy araka izany ny tatitra nataon’ireo iraky ny Fanjakana nalefa tany Jordanie, ny Alakamisy 22 Septambra teto amin’ny foiben’ny Minisiteran’ny Asa. Fotoana iray nahafan’ny tompon’andraikitra voalohany, ny Minisitra Marie Gisèle RANAMPY, nitafa mivantana tamin’ireo mpikirakira haino-vaky- jery izay nizara ho an’ny besinimaro ny akon’ny fitsidihana orin’asa vahiny mampiasa teratany Malagasy izay natao tany Jordanie ity. Tamin’io fotoana io no nampahafantatra Ramatoa Minisitra fa mbola vonona handray mpiasa Malagasy an-jatony hafa ity orin’asa avy any Jordanie ity, koa manentana sahady ireo liana hiomana amin’izany tolotr’asa hivoaka tsy ho ela izany.
Teto ihany koa dia nanamarika ny Minisitry ny Asa fa tsy dia ny maha-firenena arabo azy loatra no itarafana ny fanajana na tsia ny zon’ny mpiasa fa misy mason-tsivana hafa ampiharina ihany koa; raha tsiahivina fa voararan’ny lalàna aloha hatreto ny fandefasana mpiasa any amin’ny ankamaroan’ireo firenena arabo. Ny hijerena akaiky kokoa izay lafin-javatra izany moa antony nananganana ny komity iombonan’ireo telo Minisitera voalaza etsy aloha, nanantontosa ity fidinana ifotony toeram-piasana natao tany Jordanie ity. Inoana sy antenaina araka izany fa hiantoka ny fampanjariana ny fandefasana mpiasa Malagasy any ivelan’ny nosy ity komity iombonana ity.
Nampahafantarina tamin’ity fihaonana tamin’ny mpanao gazety ity ihany koa fa misokatra amin’ireo tolotr’asa iraisam-pirenena hafa i Madagasikara, ho fampananan’asa indrindra ireo tanora vonona amin’izay. Hisy araka izany ny tolotr’asa manaraka ho any Canada, izay vinavinaina hisokatra amin’ny volana Novambra. Tsiahivina fa tapitra tamin’ny zoma 23 Septambra teo teny amin’ny Alliance Française Andavamamba ny adina am-bava (entretien d’embauche) ho an’ireo tanora Malagasy 25 voasafidy tamin’ny tolotr’asa voalohany niarahana tamin’ny firenena Canada…










