ASIEF 2022

Fankasitrahana ny ekipan’ny Minisitera
Vokatra mahavelom-bolo no azon’ny ekipan’ny Minisiteran’ny misahana ny Asampanjakana nandritra ny lalao ASIEF 2022. Ka inoana sy antenaina ny hitohizan’izany amin’ny andiany manaraka izay hatao any Toamasina. Taranja efatra (4) no nandraisan’ny Minisitera anjara, tamin’ireo roapolo (20) nahazoana nifaninana, ka anisan’ny nahazoana medaly volamena teo taranja tsipy kanetibe.


🏆Teo emin’ireo taranja hafa nandraisana anjara, tao anatin’ny telo voalohany ny mpihazakazaka avy amin’ny Minisitera; tonga tany dingana ankatoky ny famaranana (demi-finale) ny mpilalao baolina kitra; ary teo amin’ny dingana ampahefan’ny famaranana (quart de finale) ny mpilalao basikety.


👏Mendri-pankasitrahana ireo fiezahana avy amin’ny tompon’andraikitra nahatrarana ireo vokatra ireo, mendri-piderana ihany koa ny zava-bitan’ireo mpilalao rehetra izay nikiry sy nitandrina hatrany ny hasin’ny Minisitera nandritra ny fifaninana.


🤝Ny Alakamisy 22 Septambra lasa teo no notanterahiny ny fandraisana ny ekipa taorian’ny lalao ASIEF 2022. Tamin’ny alalan’ny lanonam-pifaliana notarihin-dRamatoa Minisitra Gisèle RANAMPY, natrehin’ny besinimaro teto amin’ny foiben’ny Minisitera (67Ha).