DEPED

🔔 ETIKA SY DEONTOLOJIAN’NY ASAM-PANJAKANA – FAMPAHAFANTARANA IREO TORO-LALANA MIFANDRAIKITRA AMIN’NY FIFAMPIFEHEZANA – NY FANONERANA NY MPIASAM-PANJAKANA TRA-DOZA AMPERIN’ASA NA NAHAZO ARETINA VOKATRY NY ASA.

👌 Tontotsa teto andrenivohitry ny faritra Boeny, teto Mahajanga, ny alakamisy 15 septambra 2022 teo ny fampiofanana ireo talem-paritry ny Ministera misahana ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy miisa 15 mahakasika ny Etika sy Deontolojian’ny asam-panjakana, ny fampahafantarana ireo toro-lalana mifandraika amin’ny fifampifehezana ary ny mahakasika ny fanonerana ny mpiasam-panjakana tra-doza amperin’asa sy nahazo aretina vokatry ny asa.

✅ Izany dia notanterahina tao amin’ny efitrano fivorian’ny Hotel BAOBAB Tree Mahajanga ary notarihin’Atoa Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-Tsosialy. Nanantanteraka izany fampiofanana izany moa ireo ekipa avy ao amin’ny Tale Jeneralin’ny Asam-panjakana eo anivony’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, Ny Asam-panjakana ary ny Lalana Sosialy.

📌 Isan’ireo nisolo tena ny avy amin’ny Tale Jeneralin’ny Asam-panjakana ny Tale misahana ny fanombanana sy ny fampiroboroboana ny etika sy deotntolojia (DEPED) sy ny ekipany ary solon-tena avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny maha-olona ireo mpiasam-panjakana (DRHE).

🔶 Ny zoma 16 septambra 2022 kosa nifampitaona tamin’ireo solon-tena roa avy amin’ireo fitaleavam-paritry ny asam-panjakana sy ireo orin’asa miankina amin’ny fanjakana teto amin’ny faritra Boeny ireo ekipa avy amin’ny Fitaleavana ankapoben’ny Asam-panjakana izay nitondra ireo tsara ho fantatra mahakasika Etika sy Deontolojian’ny asam-panjakana, ny fampahafantarana ireo toro-lalana mifandraika amin’ny fifampifehezana ary ny mahakasika ny fanonerana ny mpiasam-panjakana tra-doza amperin’asa sy nahazo aretina vokatry ny asa.

✳️ Ny andro faharoa dia notarihin’Andriamatoa Préfet-n’ny Mahajanga sy ny Sekretera Jeneraliny. Nanodidina ny 300 ireo mpiasam-panjakana tafavory tao amin’ny efitrano AOADRAHA (Maison de la Culture) tamin’ny andro faharoa io.

🔥 Tratra ny tanjona.
Masina ny Tanindrazana