Fitsidihana DGTLS-DMP tany Jordanie
Mitohy ny ezaka efa nataon’ny fanjakana malagasy amin’ny fiahiana mivantana ireo mpiasa malagasy monina sy mila ravinahitra any ivelany indindra fa amin’ireo firenena Arabo.
Nisy araka izany ny iraka manokana nampanaovin’ny Fanjakana Malagasy ny teknisianina misahana ny fifindra-monina arak’asa avy amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny ; ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka ary ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy. Marihana fa nandefa solon-tena niaraka tamin’ireo teknisianina ireo ihany koa ny Birao iraisam-pirenena momba ny fifindra-monina (Organisation Internationale pour la Migration) .
Natao nandritra izany iraka izany ny fitsirihana sy fanaraha-maso ny orinasa mampiasa teratany Malagasy any Jordanie. Nojerena manokana ny fanajana ny zo fototry ny mpiasa malagasy sy ny teo-piainany amin’ny ankapobeny. Nisy ihany koa ny fandraisana ny mombamomba ireo teratany malagasy monina any Jordanie ary nozaraina tamin’izy ireo ny Karatra maha malagasy ampielezana azy (cartes consulaires).
Natao nandritra izany ihany koa ny fanavaozana ny pasipaoro ho an’ireo teratany malagasy any Jordanie sy ireo monina amin’ny heli-dranon’ny persika.
Izany rehetra izany dia natao ho fanamorana ny hananan’ireo teratany malagasy taratasy ara-dalàna sy hahafahana misoroka sy miady amin’ny fananaraotana isan-karazany indrindra ny famarinana olona.
Izany rehetra izany dia nialohavan’ny fitsidiana ara-pomba am-panajana ny delegasiona malagasy ny ministeran’ny raharaham-bahiny sy ny Ministeran’ny Asa tany an-toerana.
Notsidihina ihany koa ny fikambanamben’ny sendikan’ny mpiasa misehatra amin’ny famokarana lamba.
Nifarana tamin’ny fihaonan’ireo malagasy am-pielezana any Jordanie ny dian’ny delegasiona avy amin’ireo ministera telo izay voalaza etsy ambony.