MTEFPLS- OMIT TOLIARA
✅ Nidina ifotony nijery ny toerana manokana ikarakarana sy itsaboana ireo mpiasa marary eo amin’ny sehatra tsy miankina teto Toliara (OMIT) ny Minisitry ny Asa ny Fampananan’asa ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy Ramatoa Gisèle RANAMPY.
🔶 Anisany manampy ireo mpiasa malagasy aty amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny fiasian’ny toeram-pitsaboana toy izao ka nahatonga izao fitsidihana izao.
✳️ Nisy ihany koa ny fangatahana manokana nataon’ny ekipan’ny Ministera, amin’ny fanatsarana ny fahasalamana sy fikarakarana ireo mpiasa Malagasy marary ireo mba hisitrahany ny zo feno tokony ho azy.