MTEFPLS- OIT- UNICEF- PACT
Fa ny ady hevitra misokatra teto kosa dia notontosain’ireo mpiara-misehatra sy mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny amin’ny ady atao amin’ny ankizy. Anisan’izany ny OIT (Organisation Internationale du Travail), ny ONG PACT, ny UNICEF ; tsy adino ihany koa ireo Fiarahamonimpirenana isankarazany izany nahandro sy niketrika ity fankalazana amin’ny fomba ofisialy ity.
👌✊ Tahaka ny fahombiazan’ny fankalazana natao teo Toliara tamin’ity taona 2022 ity, dia antenaina fa hahomby manomboka eto ny ady iombonana amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ary tsy eto amin’ny Faritra Atsimo-Andrefana ihany, fa manerana ny Nosy izany fahatratrarana ny tanjona iraisana amin’ny ady amin’ny fampiasana ankizy.
✅ Nitohy ny tolak’andro ny fankalazana teto Toliara, izay niompana bebe kokoa tamin’ny ady hevitra misokatra ho an’ny besinimaro mikasika indrindra ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay sy ny fampandraisan’andraikitra ny rehetra manoloana ny ady atao amin’ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Marihina fa ny tapak’andro maraina dia efa nisy fijoroana vavolombelona nataona ankizy tsy ampy taona ampiasaina amin’ny endriny samihafa.








