MTEFPLS – FARITRA ANDROY

📝 Fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny birao vaovao
📌 Notanterahina androany Zoma 17 jona teto Ambovombe renivohitry ny Faritra ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny birao vaovaon’ny Fitaleavamparitry ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy.
🔶 « Ny fametrahana ny fanjakana manakaiky ny vahoaka » io no tanjona tsy maintsy apetraka araky ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika.
✅ Nanome toky ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy Ramatoa Gisèle RANAMPY fa hampandroso sy hampiroborobo ireo asa sy andraikitra izay nankinina tamin’ny ministera aty amin’ny faritra Androy.
✳️ Tonga nanome voninahitra izao Lanonam-panokafana izao ny Filoham-pirenena malagasy Andriamatoa Andry RAJOELINA, ny Praiminisitra lehiben’ ny governemanta Andriamatoa
NTSAY Christian, ireo minisitra mandrafitra ny governemanta ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry.
❇️ Nisy ihany koa ny fitokanana ireo fotodrafitrasa maro taty amin’ny faritra Androy izay notarihin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra lehiben’ ny governemanta.