🇲🇬 MTEFPLS – RÉGION ANDROY
đź“ť Fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny birao vaovao
đź“Ś Notanterahina androany Zoma 17 jona teto Ambovombe renivohitry ny Faritra ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny birao vaovaon’ny Fitaleavamparitry ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny LalĂ na Sosialy.
🔶 « Ny fametrahana ny fanjakana manakaiky ny vahoaka » io no tanjona tsy maintsy apetraka araky ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika.
âś… Nanome toky ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny LalĂ na Sosialy Ramatoa Gisèle RANAMPY fa hampandroso sy hampiroborobo ireo asa sy andraikitra izay nankinina tamin’ny ministera aty amin’ny faritra Androy.
✳️ Tonga nanome voninahitra izao Lanonam-panokafana izao ny Filoham-pirenena malagasy Andriamatoa Andry RAJOELINA, ny Praiminisitra lehiben’ ny governemanta Andriamatoa
NTSAY Christian, ireo minisitra mandrafitra ny governemanta ary ireo olom-boafidy sy olom-boatendry.
❇️ Nisy ihany koa ny fitokanana ireo fotodrafitrasa maro taty amin’ny faritra Androy izay notarihin’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra lehiben’ ny governemanta.
