ATSIMO ATSINANANA :
FITOKANANA NY FITALEOVAM-PARITRY NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY
Nahazo birao lehibe sy mendrika ny fitaleavam-paritry ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy ao amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana.
Tsy mba nanana tranom-panjakana ho azy samy irery ity fitaleavam-paritra ity hatrizay fa nitambatra tamin’ny andrim-panjakana hafa foana.
Midika ihany koa izany fa miroso hatrany ny fanatanterahana ny velirano nataon’ny Filoham-pirenena amin’ny fametrahana raharaham-panjakana manakaiky vahoaka sy ny fanolorana fotodrafitrasa mendrika sy voatao ho an’ny mpiasam-panjakana.