RINDRAMBAIKO

🔶Nosokafana androany 25 Febroary 2022 tamin’ny fomba ofisialy ny fametrahana sy fikirakirana ilay rindrambaiko ho entina hikarakarana ny mpiasam-panjakana dingana faharoa na koa hoe « AUGURE.2. »


✳️Tafiditra ao anatin’ny hetsika fanavaozana sy fitantanana ny mpiasam-panjakana amin’ankapobeny ity hetsika izay natao androany ity, ary efa nisy vokatra azo tao anatin’izany.


✅ Marihina fa ny ministeran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no miara-misalaha amin’ny famolavolana sy fikirakirana ity AUGURE 2 ity.


↪️ Tonga nanokatra ity hetsika ity tamin’ny fomba ofisily ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy Ramatoa Gisèle RANAMPY sy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola Ramatoa Rindra Hasimbelo RABARINIRINARISON.