MTEFPLS – MEF

09 Février 2022 : Nampiofana ireo « Acteurs Budgétaires »eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy ireo mpampiofana avy amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.


Niompana tanteraka tamin’ny fizarana traik’efa momba ny fanatanterahana ny teti-bola 2022 indrindra ireo fiovana izay nentin’ny « Loi de Finances 2022″izany atrik’asa izany.


Notanterahina tao amin’ny trano fivorian’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy ny Atrik’asa ka nanatrika izany Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisitera.


Fahaiza-manao maro mahakasika izany fitantanam-bola izany no nozarain’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.