Rivo-doza BATSIRAI

Anisan’ny nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ny Rivo-doza BATSIRAI i Mananjary sy Manakara.
👉👉 Ho firaisan-kina sy fijerena ireo mpiray tanindrazana dia nigadona tany amin’ireo toerana ireo niaraka tamin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy, Ramatoa Gisèle RANAMPY ny Alatsinainy 07 febroary 2022.
↪️Amin’ny maha Minisitra mpiahy ny faritra Atsimo Antsinanana an’ny Ramatoa Gisèle RANAMPY moa dia:
✅Namangy sy nankahery ireo mpiray tanindrazana traboina, rava fananana sy namoy havana akaiky ny tenany
✅ Nijery ifotony izay hahafahana manampy ny mponina amin’ny fiarahana hanarina ireo fotodrafitr’asa maro rava sy potika.
✅Nizara izay voatsirambin’ny tanana ho fanampiana ireo traboina