RIVODOZA BATSIRAI
Manoloana ny voina mianjady amin’ny Firenena, ny Minisitry ny Asa, ny Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy Ramatoa Gisèle RANAMPY miaraka amin’ireo mpiara-miasa aminy rehetra dia maneho firaisan-kina tanteraka amin’ireo mpiray tanindrazana niharam-boina rehetra.
Miombom-po amam-panahy ary mirary fiononana feno ho an’ireo namoy havana akaiky, fianakaviana, namana sy tapaka ny Minisitera.
Mankahery hatrany ny mpiray tanindrazana izay rava fananana
Mirary fahasitranana haingana ihany koa ho an’ireo izay naratra vokatr’ iny andro ratsy iny
Amin’ny maha Minisitra mpiahy ny faritra Atsimo Antsinanana an’ny Ramatoa Gisèle RANAMPY dia mampitràka sy mitondra ny teny fankaherezana manokana ho an’ ireo vahoaka ao amin’io faritra io ny tenany.