BNGRC

Taorian’ny rotsak’orana nisesisesy izay nampitondra faisana tokantrano maro teto Madagasikara indrindra ireo eny amin’ny faritra iva dia maro ireo traboina, ireo very fananana, very fialofana ary ao ireo voatery nafindra fonenana.


Voin-kava mahatratra tokoa moa ka dia tsy nijery fotsiny ireo mpiray tanindrazana traboina ireo ny Ministeran’ny Asa, Fampananan’asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy izay notarihian’ny Ramatoa Minisitra Gisèle RANAMPY fa tonga teny anivon’ny BNGRC ny zoma 28 Janoary 2022 nanolotra fanampiana toy ny vary, fanafody, ny aro vava orona, sceau, menaka, sira, paty, savony sy vovontsavony ary vomaina.


Nandray izany fanomezana izany moa ny talen-jeneralin’ny BNGRC.


Ny BNGRC moa no miandraikitra ny fitsinjarana ireo fanampiana ireo any amin’ireo traboina arakaraky ny filàny avy.


Nitsidika birao vitsivitsy ao amin’ny BNGRC moa ny minisitra sy ireo mpiara miasa aminy nandritra izany ary nankahery ireo mpiasa rehetra amin’ny asa mafy izay iandreketan’izy ireo.